<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Irinay Jeso tia,
 Mpanota izahay,
 Ka misy alahelo
 Atý anatinay ;
 Irinay ny Mpamonjy
 Hiseho ho anay,
 Hanafaka ny ota
 Mba hifalianay.

[V2]
 Irinay Jeso tia,
 Mba hanazava anay,
 Fa maizina ny sainay,
 Ka diso izahay ;
 Irinay Jeso Kristy
 Hanolo-trsaina anay,
 Irinay Jeso hendry
 Mba hianaranay.

[V3]
 Irinay Jeso tia,
 Ho tonga aminay,
 Hiantra sy hiaro
 Sy hanadio anay ;
 Na dia malemy aza
 Ka reraka izahay,
 Rehefa voavonjy,
 Matanjaka izahay.

[V4]
 Ry Tomponay malala !
 Ry Jeso tianay !
 Ry Havanay mahery !
 Ry Rahalahinay !
 Vonjeo izahay mpanota
 Miankina aminao,
 Tahio izahay mahantra
 Mivavaka aminao.</lyrics>
<title>Irinay Jeso tia FFPM468</title>
<hymn_number>468</hymn_number>
<author>J. Hayden</author>
</song>